Discuter:Fédération malgache de football

Un article de Wikipédia, l'encyclopédie libre.

Miarahaba ny Fédération Malagasy de football ny tenako,

Mampalahelo tokoa ny zavatra niseho teo Mahamasina omaly(04/03/07), tsy tokony anisany manana andraikitra ve ny FMF amin'ny fidiran'ny tavoahangy tao ireny, zava-doza tokoa no niseho raha hitan'ny mpilalao vahiny ireny vaki-tavoahangy tonga hatreny ambony kianja filalaovana ireny isika, raha naheno tamin'ny MATV ny tenako omaly dia nilaza ny mpikirakira fandaharana Mme Mbolatiana fa naratra ny mpitsara iray dia nilaza koa izy fa ny Adema no mandoa ny lamady manaiky aho fa ny Adema no tompon'ny lalao rehetra fa tokony manana andraikitra tao koa ny FMF, tokony izao ny FMF dia efa tokony hanomana ny fandraisana ny ekipan'i Drogba mba tsy hisian'ireny toraka tavoahangy ireny intsony fa manimba ny lazan-tsika malagasy ireny, tokony hatevenina ny fiarovana ao anaty kianja sy ny any ivelany, tsy ianareo no atoro izany tompoko fa hita fa miverina indray ny fisotroana toaka sy ny fidiran'ny tavoahangy izay hita fa tsy miafina mihitsy ny mpivarotra azy.

Mirary soa koa ho an'ny solontena malagasy dia ny AJESAIA izay hita fa natohitra ny vahiny egyptianina tanteraka ary mendrika ny hampiana. Mirary soa koa ny Adema na dia hita fa tsy tao mihitsy omaly fa dia nanao baoloina ambony sy lavalava foana

Mirary soa anareo mba hahavita hatramin'ny farany

R. Bernard